
eo ambany fahasoavanao - amaf lyrics
Loading...
fantatrao fa tsy tanteraka aho ry tompo ô !
nefa endrey fa nanankinanao asa
tao anaty alin-kisa no niantsoanao ahy
mba ho isan’ireo irakao
fiv :
inona e, raiko ô, no hatahorako
raha ianao no mitsilo ’zany diako ?
izay miaraka aminao e tsy mba manana ahiahy
fa mahery matoky am-panahy
tsy miafina aminao ny halotoako ry ray ;
koa hamasino ho mendrika anao
ka mba ho eo ambany fahasoavanao tokoa
no hanekeko ho irakao
hiainga aho hamakivaky lalan-tsarotra
mety ho kivy satria nofo ihany aho
rehefa injay fa mila hiraviravy tanana
mba misehoa ianao
… eo ambany fahasoavanao
Random Song Lyrics :
- pon tu confianza en dios - jezael carreto lyrics
- livro de reclamações - anaquim lyrics
- beautiful - erika jayne lyrics
- sin city - jr be snappin lyrics
- il contrario - crims lyrics
- tfaha | تفاهة - dinho (egy) lyrics
- oppression (intro) - spaceghostpurrp lyrics
- take me home - free the honey lyrics
- rip magt - magoutta g lyrics
- habohen sheli - הבוהן שלי - is hop - איז הופ lyrics