
harmonia - bessa sy lola lyrics
izay feon-kira izay feon-kirantsika
henoy tsaroanao ve izay ilay mozika
natao fidirana taorian’ny litorzia
ianao nitendry ilay hamonia
izay feon-kira izay tsaroako tsara
izahay sy nenitoa niditra tara
tery aloha tery, vao nisy hitoeranay
fa voka-dehibe tamin’ izay
andro paska moa io andro io
hipoka avokoa ny dabilio
vao niditra izahay dia hitako ianao
nitendry ilay harmonia
nitodika ianao nijery ahy
toa te-hitsiky angaha neia tsy sahy
izaho sadaikatra, namindra saikatra
saiky tsy afa-nandeha raikitra
niondrika aho satria menatra mafy
hilefa ho aiza moa voatery nihafy
ny doboky ny fo injao fa mafy ery
toa hoe hihoatra ilay harmonia
tsy dia fantatro izay lohateny
ny hany tsaroako dia ny feony
fa ho ahy mantsy dia izay
lay feona harmonia feon-kira milaza fitia
Random Song Lyrics :
- andar - aerstame lyrics
- night train - kay starr lyrics
- facetime (acoustic version) - parsalip lyrics
- into each life some rain must fall (1960 version) - kay starr lyrics
- is it love - sharita jackson lyrics
- sava - cristalli sottili (prod. yuri beats) - selfmadeempire lyrics
- old benz remix - goldstacks lyrics
- heart shaped locket - sylvia's embers lyrics
- home - spencer annis lyrics
- stop - sofia talvik lyrics