
'ndao hihira - bessa sy lola lyrics
Loading...
ho anao sahiran-tsaina
sendra zava-tsarotra;
aza de miferin’aina
ndrao vao maika mihaimotra
manefe saina mijoro
mafy matanjaka;
ka reseo ny horohoro
dia meteza mba hitraka
ndao hihira(2)
hira tsotra no hiraina
ndao hihira (2)
hiran’ny fitiavana
na ny fifaliana mazana
tselatra f’hifarana;
fa raha tianao ny hitàna
ao am-po ny hazavana
angalao hanolokolo
ny finoana marina;
fa izay rava eo mbola hisolo
andro hafa hifaliana
mbola ao koa ny mahory
ny kitroan’aizina;
tsy dia vaovao io akory
fa iobonan’ny miaina
saingy injay mangirifiry
tratrin’ny famoizana;
no mba irario mba hikiry
tsy ho kivy, f’hanantena
Random Song Lyrics :
- be gentle with my heart - kimberly otte lyrics
- a letter from santa - chris mayor lyrics
- mureq - nospec lyrics
- vida nordestina - djavan lyrics
- burn the city - prosevere lyrics
- money machine - fame school lyrics
- grown man shit - mr bigz lyrics
- blame me - emanny lyrics
- failure - blood youth lyrics
- have u - awfultune lyrics