
maso mifanojo - dadah rabel lyrics
Loading...
vao injay nifanojo
ireto fijery
dia tsapako fa tojo
fitia tena mahery
toy ny varatra mipoaka
nefa andro tsisy orana
fa nisafoaka
ny foko may toy ny nodorana
ireo hafa nanodidina
sy ny vorivory
toa zary tandidona
tsisy hitako akory
nanitona ahy tsy namela
ny masonao no hany tazako
toy ny efa ela
izy ireo no nandrasako
f’ianao nitsirika ahy
somary nitsipalotra
te hibanjina tsy sahy
te hijery maharitra
nifanadrify kosa
tsy ela nefa tsapako
fa tena tontosa
tiako ianao rahavako
raha toa mba tena izaho
ilay voafidy
ahitsio ny masonao
ka aza avela hihidy
ny masoko dinihinao
fa ho hitanao tsara
f’ianao no tiako
mamy fa anjara
ref.. f’ianao nimbajina ahy …
Random Song Lyrics :
- shox the rebel vs. soul - don't flop lyrics
- statement - ronnie cinema lyrics
- 왠지 모르게 (just feeling) - jang subin lyrics
- dont waste my time - alobe lyrics
- retro - locke lyrics
- passages - drake chisholm lyrics
- yoter miday - יותר מדי - 51% lyrics
- miba'ad ladimaa - eyal golan - אייל גולן lyrics
- other guys - ilish lyrics
- lutèce - sajfleo lyrics