
ramano be galona - lolo sy ny tariny lyrics
Loading...
ny tanin-dramano
dia tany zanatany
ny tany tamin’izany
mbola feno zanatany
nanainga i ramano
tsy afaka nandà!
nirongo basy lava
nilanja barida
ady no naleha
tsy anaovana kinanga
nitifitra na maty
nefa olon-janatany
naverina ramano
tsy maty nefa angano
ny olona eny an-dàlana
mihomehy ny galonany
galonan-dramano
dia misy tena izy
fa misy mampihomehy
mampioraka ny ankizy
satria kapsily
sy fatina bilao
mikoritsana eny an-tratrany
grady be tsy zakany
nalevina omaly
ramano be galona
ireo mpananihany
nanjary nitomany
ny tanin-dramano
dia tany zanatany
ny tany tamin’izany
mbola feno zanatany
Random Song Lyrics :
- x and o's - lil auzzie lyrics
- dale fuego - en vivo - cartel de santa lyrics
- 7 - smallman lyrics
- t.r.u.e - g-hirsty lyrics
- love ceito - calez lyrics
- bad girl - girls love shoes lyrics
- all my life - kc & jojo lyrics
- my heart is jumping - bibi tanga lyrics
- shoot - starlife the mob lyrics
- still listening (remix) - soul position lyrics