
mofo tantely - mahaleo lyrics
hitako omaly ireo zanakao
tao an-tokotany tao nilalao
fa nampanataoviny mantsy aho omaly
nandalondalo saika hamangy
teo am-bavahady aho no nijoro
tsy nisy afa-tsy tanam-poo
hitondra bônbôn ve izaho sa sôkôla
ho an’ny zanakao mianadahy
ref: tsaroako ianao fahiny
mihinana m-f-n-tantely
ity vetsovetso ataoko androany ity
ho anao ilay tsy lany mamy
mitovy aminao ikalavavinao
tahafiny ireo masonao
matahotra izy nahare varatra
varatra avy any an-danitra
ilay lahy kosa maherihery setra
mitovy taminao naditraditra
milalao ranon’orana izy dia
mihirahira aviavia raha orana
ref(2)
hitako omaly koa ilay vadinao
izy angamba mahafinaritra
niafona aho anefa toy ny mpangalatra
ny marimarina izaho menatra
hampanateriko ireo sôkôla
ho an’ny zanakao mianadahy
tsy hifanatrika aho tsy handroso
satria ianareo roa ho ambinin-tsoa
ref(2)
Random Song Lyrics :
- simples carinho - angela rô rô lyrics
- l'âge d'or - barcella lyrics
- no me llames yo te llamo - kevin roldán lyrics
- tu ¿como estas? - presuntos implicados lyrics
- thirsty - static (playa) lyrics
- temberang - ayda jebat lyrics
- too easy - nued maj lyrics
- haitian slumdog millionaire - wyclef jean lyrics
- piel contra piel - soraya lyrics
- sell chickens - oj da juiceman lyrics