
niova ianao - nanie lyrics
ela niaretana hatrizay aho
leo ny fijaliana mankalao
ny fiarahantsika hatramin’izay
toa tangena mafaitra, mahamay
ilay fitiavanao mba nandrandraiko
ianao ihany no mba nantenaiko
nampitondra fahoriana maro
vono sy adin-tsaina mifangaro
fiverenana (in-2) :
ankehitriny anefa
niova ianao (in-5)
tsy toy ny taloha
niova ianao(in-2)
ireo latsa sy ompa fanaonao ahy
lasa teny mamy sy fitia
ireo vono sy hitsakitsaka
zary safosafo sy oroka
asa, angamba tonga ilay fotoana
nanenenanao izay vitanao ?
na ny vavaka sy ny taraina
izay avy amiko no efa nivaly ?
fiverenana
lasa tsara fanahy
sady toa nihatia ahy
tsy mila ady intsony
no tena manaja
sambatra sy faly aho
(niova ihany ianao)
niova ihany ianao
(niova ihany ianao)
…
fiverenana
(ela ny ela niova ihany ianao ô!…)
lasa tsara fanahy
sady toa nihatia ahy
tsy mila ady intsony
no tena manaja
sambatra sy faly aho
niova ihany ianao
niova ianao
lasa tsara fanahy
…
Random Song Lyrics :
- hemotions (traduction française) - juice wrld lyrics
- lucid (bring the rain) - ylwrc lyrics
- them bones - thou lyrics
- look what we come from - seven! (rap) lyrics
- hab' sonne! - oskar merikanto lyrics
- viel zu klein - nuttykid lyrics
- love me - aliyah's interlude lyrics
- death on denial - hello softie. lyrics
- endless summer - mighty oaks lyrics
- neapstājies - brīvais stils lyrics