
bandy m'pince - princio lyrics
ekena fa dia ratsy ny py ary tsy mba mahasoa
fa mankarary vavony izy ity sady mankarary an-doha
dia mankarary ny hatoka a
sy tena mampa-kafoka
mba te hijanona ihany aho nefa dia aoka kely aloha
satria tsy milamina raha ajanona
tena sanina fa manjary tsy misy ambiance e
mialà tsiny amin’ny be sy ny maro fa tena tsy poince
fa le bandy tsy maintsy m’pince a
efa io py io ihany anie no nahafaty an’i dadatoa
mbola io py io ihany anie no nampahalazo an’i koto beloha
sady mampiady mivady e, no mampivarina an-kady e
ka tokony ajanona ihany izy io nefa aoka kely aloha
satria toa tsy vita na mozika na ny sipa
fa mikatso amin’ny tena m’coince e
azafady amin’ny be sy ny maro fa tena tsy poince
fa le bandy tsy maintsy m’pince a
fa tsy misy maharatsy an’io anie raha revena am-panajana
fa sady mampisy ambiance io ho’a no mitondra hafanana
azafady amin’ny vokovoko manga fa tsy tena tsy poince
fa le bandy tsy maintsy m’pince a
… … …
na mamonjy mariazy ianao na manatrika fety be
na eny amin’ny cabaret ianao na mandeha karaoke
na mankany amin’ny boaty e, na mandeha miandry faty e
tsy maintsy m’pince kely aloha raha tsy izany ka raha tsy ok
dia efa izay ho’a ny fika, tecknika, magnifika:
izay mampiakatra ny ambiance e (hay ambiance an)
amin’izay rehefa miakatra tsara ny dôzin’ny pince
d’efa raikitra hatramin’ny dance
mamely an’io daholo anie ho’a ny mpokona eto amin’ny tànana
hatramin’ny 4-mi ka hatramin’ny mpitondra fanjakana
fa tsy misy maharatsy an’io anie raha revena am-panajana
fa sady mampisy ambiance io ho ‘a no mitondra hafanana
azafady aminao pasitera fa tsy tena tsy poince
fa le bandy tsy maintsy m’pince a
… … …
Random Song Lyrics :
- efectele străzilor - el nino lyrics
- abk-47 - abanca cabron - abanca cabron lyrics
- glaza - hash tag lyrics
- ashes of old earth - mechina lyrics
- calling my name - radio edit - full tilt lyrics
- addirittura - crisi lyrics
- segura a bronca - monduba crew lyrics
- my heart will go on - me first and the gimme gimmes lyrics
- pay attention - freenation lyrics
- turn me up (remix) - rakey lyrics