lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

gd vibe interlude - stoika thug, artemus, prime lyrics

Loading...

couplet 1:
ny segondra sy minitra lasa ora
ny ora mihazakazaka tsy mandeha mora
po toy izay dia tapitra ny 12 volana
mitombo ny taona tsy misaina afa tsy fahefana sy vola aho
babon’ny babylona aho manimanina an’ny ziona
leo sahady ny fiainana eto na mbola tsy nahita afa tsy santionany
oay izany fihatsarambelatsihy oay izany fialonana
toa samy tsy nisy nahomby teto na ny sekoly na ny fiangonana
ny olana, tsy izay ihany fa maromaro
mba te ho sambatsambatra aho te ho mamomamo
nefa aleoko ihany any anaty asa soratra no milomano
aleoko mandefa zik h*n*lana hamoamo

pré refrain:
tsy afaky ny ho aiza ‘lah na tofoka aza
tsy afaky ny haninona na sosotra aza
miseho ny famantarana ny farany efa antomotra
dia ifaliako izay natolotra ahy

refrain:
tebiteby, fanahiana
hanao ahoana ny ho avy mipetraka ny fanontaniana ?
miaina tsy mitotaly izay any aoriana
mba te hiaina fotsiny tsy te itôtaly izay any aoriana
mba te hiaina fotsiny tsy te itôtaly izay any aoriana
couplet 2:
mba te hiaina fotsiny hankafy
ny fotoana mamy eo anilan’ireo havan*tiana
tsy miala fa eo foana nefa ny fanahiana
mety asorina amiko reo tsy haiko hoe rahoviana
adinodinoko izany indraindray variana aho
mihatery ny fotoanako izaho koa mihasahirana
ny asa, ny trano fandraisam*peo, ny famoronan*kira
nisinda tato am*poko tampoka ny hafaliana
ny olana, tsy izay ihany fa maromaro
mba te ho sambatsambatra aho te ho mamomamo
nefa aleoko ihany any anaty asa soratra no milomano
aleoko mandеfa zik h*n*lana hamoamo

pré refrain:
tsy afaky ny ho aiza ‘lah na tofoka aza
tsy afaky ny haninona na sosotra aza
miseho ny famantarana ny farany efa antomotra
dia ifaliako izay natolotra ahy

rеfrain:
tebiteby, fanahiana
hanao ahoana ny ho avy mipetraka ny fanontaniana ?
miaina tsy mitôtaly izay any aoriana
mba te hiaina fotsiny tsy te itôtaly izay any aoriana
mba te hiaina fotsiny tsy te itôtaly izay any aoriana
outro:
izay aleha maneno sahona
mitraka aho ny lanitra feno rahona
izay aleha maneno sahona
mitraka aho ny lanitra feno rahona
fa tsy mitôtaly aho motherf*ckaaa !!

Random Song Lyrics :

Popular

Loading...