lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

kreatioran'ny haizina - stoika thug, artemus, prime lyrics

Loading...

couplet 1:
ao ivelany ao orambaratra
maizina ny lanitra tsy misy na sombina hazavana kely hanaratra
ny alahelo manohy manaraka
mandra*p*n*lavitro azy tanteraka dia aleo ihany aloha ny ranomainty araraka
rehefa zohina ny soratro dia tolona no hita taratra
ohatrin’i drb hatreto aloha mbola tsy nanova karatra
tsy ‘lay mbola tokony ho izaho ny tandindona hitako rehefa mitaratra
dia tsy mitsahatrin’ny miasa aho ririnina, lohataona, fahavaratra
matetika no maizim*bava vilany aho amin’ izany vao mandika ny tokonana
tsy azo mora eto na ny vatsim*pianarana aza hitokonana
hitangoronana izay misy kely azo hitsimponana
mitrongitrongy eny satria te homana
fa tsy olana
ny tanjona no tena ifotorana
miroso na tsy misy tara*bolana aza ny lalan*kizorana
miroso mandra*pisavan’ny orana
tsy fotoana intsony angamba raha hoe izao no hiemorana

refrain:
kreatioran’ny haizina
ilay hazavana kely eny amin’ny faran’ny tonelina tiako hakakaizina
efa ela aho no niremby tanaty haizina
tanaty haizina toy ny hoe fanahy nofaizina

bridge:
stoika thug ny eo amin’ny mic, artemus sy prime ny tanana volamena
sample:
si fragile, pardonne moi
ces questions difficiles

(beat switch)

couplet 2:
toa ho lava ny alina
tsy mahatsindry farafara aho efa impiry no niarina
ato an’efitro ny hatsiaka mamirifiry ny fahanginana lalina
eto misaintsaina izay vita toa mam*f*ha ny anina
ny foko mila sitranina
rеndrarendra no nanariako aman’alina
tsy mitsahatrin’ny mamerina adalàna na efa impiry hanarina
rеraka aho mila fotoana kely nefa tsy afaky ny hijanona
ny minitra iray eto mantsy vidiana lafo
ny famataran’ora miodina tsy azo hiangaviana hoe andraso
raha tsy izany notanako tsy handao ahy ny fahazazako
na notanako izy mandra*panorin’ny tanako izay noravako
ilay mitsitaitaika tsy mihato
ny alina misasaka izaho eto mbola miandry torimaso
mba te hamindro nefa lavitra afo
lava ny alina mandra piandriko ny maraina feno ahy folo amby zato
refrain:
kreatioran’ny haizina
ilay hazavana kely eny amin’ny faran’ny tonelina tiako hakakaizina
efa ela aho no niremby tanaty haizina
tanaty haizina toy ny hoe fanahy nofaizina

Random Song Lyrics :

Popular

Loading...