prologue - stoika thug, artemus, prime lyrics
couplet unique :
nidify ny masoandro niandry aho saingy tsy nipoitra ny kintana
tonga ny lohataona fa tsy nitsiry ny solofon’ireo ravina nihintsana
ohatr’izay koa ireo izay niandry ahy hiova, nanantena tsy misy
asa angaha tsy nomba ny vintana fa lavo indray aho indrisy
mahery tsy voatohitro ny fakam*panahy mitondra ahy hivoana amin’ny lala*mahitsy
ny hiafarako any anaty afo no ho atsipy
satria hazo tsy mba namoa voa tsara
tsy tafiala tamin’ny fahazaran*dratsiko aho na dia efa nomena fotoana hiovana
tsy mitsahatrin’ny mamerin*keloka aho
voankazo nandrarana no nokakeriko
hany ka manenjika ahy izao ny eritreritro
raha zakako ‘zany tsy naborako teto fa nafeniko ihany
maneso ahy hatramin’ ilay solon’anarana hoentiko
toa tsy vitako ‘tsony ny hanohy ka aleo hisento aloha
ny fianako ohatrin’ ny horonantsary mampihetsi*po
tsy iza fa izaho eto no mahery fo
nefa tsy haiko raha mbola izany no mendrika hiantsona ahy
raha mandositra aho ka manome lamosina ny olana
raha nifidy ny hametraka fiadiana aho
na koa hoe milofika tsy mba azon’iza hiankinana
ny alina mangina dia mangina
efa dila lavitra ny lera tokony hatoriana
hatramin’izao mbola eto aho, irery
tsy azoko ny aiko noraisiko ny finday nikarohako ny laharan’i neny
allo !!
fa misy inona hoy izy namaly
toa mihantso amin’ny andro sasak’alina sa sanatria ve marary ?
tsia, mba manina hoy aho fa tsy hoe izany
niezaky ny nandainga tamin’ny aho nefa sarony avy hatrany
ny tena marina hoy izy ambara ahy
toa tsy hitako nefa izay havaly azy
dia teo fotsiny aho nihanahana
satria tsy haiko intsony hoe inona amin’ny vatako no marary ary ?
tsy haiko any andohanao miheno io izao raha misy sary
raha ny ahy manokana aloha foana
mampanontany hoe nahoana ?
mbola tsy nisy lasana ny iray tamin’ny manodidina ahy nefa ato anatiko misy toerana babangoana
toa misy zavatra tsy ampy izany foana
ny fisiana lasa zava*poana
voafintin’ny teny toy ny firaisana ara*nofo, vola, alikaola
aiza ny tamin’izany fotoana
androany aho kakerin’ny nenina sady lany vola no lany fotoana
menatra aho amin’ny adàlako
tsy afaky ny hitantara an’izany aminy aho fa aleo tapahako ny antso
talohan’izay nalamiko ny sainy hoe tsy misy inoninona, miala tsiny nanapaka torimaso
Random Song Lyrics :
- zehir - fauno lyrics
- you and i - paul brady lyrics
- trust issues - lostboy carlos lyrics
- thankyoumakeyou - water lyrics
- батя снова на битах - andrey51 lyrics
- lightning - tagz lyrics
- splash - tyga lyrics
- haverim hadashim - חברים חדשים - vibe ish - וייב איש lyrics
- are you scared to die? - silver cup lyrics
- бумажный домик (paper house) - svmmy well lyrics