
ny lasa, ny anio ary ho mandrakizay - zay lyrics
Loading...
’reo zava-maro izay natao
nankininay taminao
zary maivana daholo izany
reo sarotra rehetra
ny fahoriana, fijaliana
toy ny nofy sisa satria notantananao
be ireo sedra nitsapanao anay
nefa nahatoky anao foana izahay
ka ny ho avy mbola tsy hay, mbola tsy fantatra
ny tananao irery no hitantana azy
ka n’inon’inona hanjo, n’inona hiseho
matoky anao izahay
matoky ny fitiavanao anay
reo andro feno fifaliana
’zay nahabe ny ambom-po
notafianao fahatoniana ny fo
ireo fakam-panahy
nikasa ny hahazo laka
nosakananao tsy navelanao hanjaka
be ireo sedra … matoky ny fitiavanao anay
matoky anao izahay
matoky ny fitiavanao ry ray
Random Song Lyrics :
- euro - mc igu & celo1st lyrics
- ícaro - thomas parr lyrics
- гримёр (the make-up artist) - княzz (knyazz) lyrics
- canette - chanje lyrics
- no one ever talks to us - m(h)aol lyrics
- pure water - crazyboy (of exile tribe) lyrics
- mano a mano - blady carafria lyrics
- dzieciak - margiela lyrics
- still life - swamp lantern lyrics
- es geht auch ohne dich - juliane werding lyrics