lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu aza adino – ambondrona

Loading...

io indray ianao
fa toy ny omaly ihany
bedy lava izao
avy eo mitomany

ireo hafatro taloha
’reo adintsika koa
tsy nanintsianao ireo diso akory
ilay nahafotsy rora nefa ianao raha niteny ahy

dia lesona avokoa ireny ho ahy
tsy olo-marina aho
fa penipenina ny anao

na ny omaly na ny anio
( ô ! ô ! ou ! o ) x2
mba tsarovy sy tadidivo
aza adino
ka rahampitso rahatr’izay
( ô ! ô ! ou ! o ) x2
vao hanenina indray
ianao iny

mifona hoy ianao
tsy hamerina itsony
tsy nety ny nataoko
tsy mendrika koa

eny ary hoy ihany aho
izay aloha ny anio
nangina aho, naniky aho
avy eo, eo ihany no eo

nefa ianao raha niteny ahy
dia lesona avokoa ireny ho ahy
tsy olo-marina aho
fa penipenina ny anao
na ny omaly na ny anio
(ô ! ô ! ou ! o) x2
mba tsarovy sy tadidivo
aza adino
ka rahampitso rahatr’izay
(ô ! ô ! ou ! o) x2
vao hanenina indray
ianao iny

omaly,ny anio
(ny omaly, ny anio )
tsarovy, tadidio
aza adino e ! rahampitso , rahatr’izay
mba saino ihany io
vao miala tsiny
vao hanenina indray
ianao iny

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...