lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu tsy maintsy – black jack’s

Loading...

.1-tsy maintsy hanainga indray fa maraina ity ny andro

hiatrika ny tolom-piainana andavanandro

tsy maintsy ny ao an-doha raha vao mifoha dia ny hoe : miomana handeha

.2-tsy maintsy afenina amy pôzy irony adin-tsaina

fa samy mba mizaka ny azy am-po , tsy lazaina

saromana amin’ny tsiky mba tsy ho taratra loatra, imasom-bahoaka

.3-tsy maintsy iaretan’eny ’rony toetr’andro ratsy

na erika na rivotra na hatsika mifafy

tsy maintsy tonga à-lera mantsy mba ho porofo

fa mbola mazoto

.4-na mby an-koditra aza ’rony aretin-tsamihafa

hodiana tsy hita f’hazo fijaliana io ka zaka

tsy maintsy miezaka mijoro na dia savolaina

fa tsy an-kitaraina

ref:

tsy maintsy hajaina ny asa

f’izy no “maha-rangahy”

fa raha ny vola no antenaina very fanahy

na be na kely no azo toa tsy ahoan-tsy ahoana

fa tsy ampiampy foana

ny atsy ny karama tsy voaray dia efa vita

kaonti-trosan’olona ho aloa tsisy fika

ny aroa tsisy dimy andro no avy nandray

dia efa mikolay

tsy maintsy mitsikaraka amin’ny “ambony ampànga”

vao mba mahita riràny hamenoana izay banga

raha tsy izay tsy mantsy handrehitra tanimena vao hisy jerena

.5-tsy maintsy manana herim-po sy be herin-tsaina

raha asa-tena no hivelomana ka ho antenaina

miandry tsikim-bitana , hipi-maso an’ila

vao mba velon-kira

tsy afa-hitafy randrana manendrika ny hafa

raha saranga tsotra no efa niorenam-pàka

satria tsy lasa mpànana ,na ho ambony na ovina, k’aleo mangina

ref

tsy maintsy latsa-bavaka mitsirepirepy

raha tojo ny andro mafy, tsy itokoam-baraiventy

tsy manan-jo ho kivikivy na hanary toky

na dia handry fotsy

ireo kilonga kely tsy mahay ny tsy misy

no ampandeferan’ambo, k’hitrosanan ,indrisy

fa ny lehibe zatra miafy eny ihany rehefa an-tanan-dany

tsy afak’hanan’ambim-bava, na koa tahiry

hoan’ny “retirety” izay tsy sainina firy

fa dia tsy maintsy ho ankinina am’ilay ray tsitoha, izay mety hahasoa (3 fois)

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...