lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu isekely – mahaleo

Loading...

isekely ihany no mba mamiko
faniriko hatry ny elabe
masoandroko, fifaliako
ka tsy mety ho adinoko

isekely ihany no fitaratra
itarafana ny fiainana
na ny masonao
na ny tsikinao
manome fanantenana

mba omeo sary
ataoko ambany ondana
hiantsoana ny nofy
nofinofin*tsika roa

misy zavatra tsy laitrako
manahirana ny saiko
tsy mampatory
andro aman’alina
fa mampifoha maraina

tsy maintsy hianatra maraina
mbola hiverina ny hariva
dia hitsena, sy hanatitra
sao misy manadala

mampivezivezy
ianao sy ny fianarana
nefa ny fiainana
tsy vitan’ny fitiavana

isekely nefa tsy foiko
na dia mampijaly foana
ianao no volana, ianao no kintana
fanilon’ny foko

isekely no mba secret *ko
tsy lazaiko an’iza n’iza
hanamboarako hanoratako
hirahira vaovao

toa voninkazo
mbola ho ela vao halazo
ilay fitiavako
ny fitiavako anao

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...