lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu somongamonga – mami bastà

Loading...

androany no fotoana nomeko anao , ilazako ny momba ahy

ny saiko efa vonona hitantara an’izany fa ny vavako no mbola tsy sahy

matahotra aho mantsy fa sao dia hanenenako ny ilazako ny amiko , aminao

kanefa tapa-kevitra aho fa androany ihany dia efa vonona hilaza an’izany

tsoriko aminao aloha fa sangy fotsiny ihany no nanolorako fitia taminao

hay noraisinao ho tena izy , ilay sangiko iny ka nifankatia isika hatramin’izao

lazaiko anao anefa f’efa nisy olon-kafa notiaviko talohanao

ka ny tsaratsara angamba dia faranana amin’izay ilay fitiavanao nataoko kilalao

dia ny hirahirako hirao , raha manembonembona ianao

f’ilay fitiavako avelao , fa fitia saika hamitaka anao

dia ny hirahirako henoy , raha mahatsiarotsiaro ianao

f’ilay fitiavako adinoy , fa mety tsy hahasambatra anao

ianao aloha dia olona tiako tokoa , olon-tiako tena tiako tokoa

saingy ilay talohanao no tsy maintsy tiako kokoa , satria izy no efa tiako taloha

izany akory tsy manambany ilay fitiavantsika vao nitsiry , dia tonga dia namelana

fitia safo-morona , kanefa tsy hay tohizana sao tratran’ilay tena tompon-toerana

omaly alina tontolo aho tsy nahita tory , nieritreritra ny tokony hatao

hotohizako ve sa hofaranako amin’izay ny fangalarako fitia taminao?

na mavesatra aok’izany ny adin-tsaiko ny alin’io , ka niteraka alahelo tena mafy

aleo faranana amin’izay ilay fitiavantsika roa , fa raha tohizana manjary mampirafy

dia ny hirahirako …………………

angamba ianao tsy hanome tsiny amin’izany na hiantso tody , hiantso todim-pitia

satria fitia tsy raikitra tsy haharatsy fihavanana ary tokony tsy hatao hankahia

nanenenako lahy ny nanolotra fitia , tsy tena izy fa fitia somongamonga

fitia tsy nampoizina fa sendra nifanena , vao nantsoiko dia avy koa dia tonga

raha amiko aloha raha mbola mampirafy roa , na miampy iray aza mbola antonona

saingy ny ao amin’ny baiboly no manakana an’izany sady olana amin’ny fiaraha-monina

ka teny kely tsotra ihany no lazaiko anao , avy eo dia hofaranana ny dia

efa nisy olon-tiako talohakelinao , ka any an-kafa re manorina fitia

dia ny hirahirako…………………

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...