lirik lagu fanja – princio
izaho anie dada sy nenin’i fanja
sanatria raha mba hanitsakitsaka zanakareo o
izaho anie dada sy nenin’i fanja
sanatria raha mba hamitapitaka an-janakareo o
ity vinantonareo ity ry dada sy maman’i fanja
sanatria raha mba hanavakavaka an-janakareo o
ity vinantonareo ity ry dada sy maman’i fanja
sanatria raha mba handatsaka an-davaka an-janakareo o
aza misy manahy ianareo mianakavy
tsy fombanay mampijaly vehivavy
tsy mahavita an’izany aho sanatria
fa bandy milamina tsara ny aty
ilay bandy anie dadabe sy bebe an’i fanja
sanatria raha mba hanary an’ity zafikelinareo o
ilay bandy anie ikaky sy nenin’i fanja
sanatria raha hankarary an’ity zafikelinareo o
ity zaodahinareo ity zoky sy zandrin’i fanja
sanatria raha mba hanimbazimba an’i bavinareo
ity valinareo ity zoky sy zandrin’i fanja
sanatria raha mba hitetika hanimba an’i bavinareo
aza misy manahy ianareo mianakavy
tsy fombanay mampijaly vehivavy
tsy mahavita an’izany aho sanatria
fa bandy milamina tsara ny aty
k’aza misy manahy ianareo mianakavy
tsy fombanay mampijaly vehivavy
tsy mahavita an’izany aho marina mafy
fa bandy milamina tsara ny aty
k’aza misy manahy ianareo mianakavy
tsy fombanay mampijaly vehivavy
tsy mahavita an’izany aho marina mafy
fa bandy milamina tsara ny aty
fa hovadiako i fanja
tsy hampijalijaliako i fanja
tsy hampitomaniako i fanja
fa h-r-veko manja
tsy hoviraviraiko i fanja
tsy hotsiratsiraiko i fanja
tsy hampifilafilaiko i fanja
fa hanamboarako zaza
tsy hovetavetaiko hosimbasimbaiko hoviraviraiko i fanja
fa h-r-veko manja
hokarakaraiko holalalalaiko sady hohajaijaiko
fa hifalihavanja
tsy hovonovonoiko holakolakoiko fa hoboroboroiko
mba ho manan-danja
tsy ho ampitomaniako hampijalijaliako fa dia ho asiasiako
fanajana
aza misy manahy ianareo mianakavy
tsy hampitomaniako hampijalijaliako
tsy fombanay mampijaly vehivavy
fa hovadiako dia hasiako fanajana
tsy mahavita an’izany aho marina mafy
fa bandy milamina tsara ny aty
fa hovadiako dia hasiako fanajana
hasiako fanajana
izay ny ela ry izy mianakavy fa fa hoentiko mody e hoentiko mody izy e
aza misy manahy ianareo mianakavy
tsy hampitomaniako hampijalijaliako
fa hoentiko mody hoentiko mody izy e
hoentiko mody hoentiko mody izy e
lirik lagu lainnya :
- kumpulan lirik lagu каста kasta › lirik lagu зомби-пати (zombie party) – каста (kasta)
- kumpulan lirik lagu stress ch › lirik lagu nos guerres civiles – stress ch
- kumpulan lirik lagu x men › lirik lagu pendez les – x-men
- kumpulan lirik lagu wolkenfrei › lirik lagu von tokio bis amerika – wolkenfrei
- kumpulan lirik lagu el matador › lirik lagu mec fragile 2 – el matador
- kumpulan lirik lagu sev › lirik lagu manners – sev
- kumpulan lirik lagu caio correa › lirik lagu toma aí – caio corrêa
- kumpulan lirik lagu walt disney records › lirik lagu knottle to knock – walt disney records
- kumpulan lirik lagu kendo kaponi › lirik lagu llámala – kendo kaponi
- kumpulan lirik lagu mario lopez › lirik lagu the one and only – topmodelz remix – mario lopez