lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu efa – rija ramanantoanina

Loading...

efa nisy fifaliana

hita-soritra ta-nendrika

sy tamin’ny fiainanao

noho izao tety antany

f’efa niara-paly isika

tampi-gohana ny santatry

ny mamin-kasambarana

fa vetivety ihany

efa tsapako ny vesatry ny rojo

volamena noho izay

nanjary gadra, teo ambozonao izany

f’efa tapaka sy tohoka

ny fatora-nampiray antsika

ka naharary sy niteraka tomany

efa matotra aho izao

dia mahay mitsinjo ny ho avy

dia ny vodiandro merika

nijonjonantsamirery

f’efa nibaliaka indray

ilay masoandroko fahiny teo

nanomboka nazava io

azo nanovozan-kery

fa nanana akom-pery

ilay fitiavako nangaina teo

antsampa(na)n-dalantsika, fisarahana voatery

nefa ny ahy ny fiononako

dia afaka nanolotra

ireo tsara mba nananako

(nomeko fa tsy very)

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...