lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu fitiavana mamiratra – rija ramanantoanina

Loading...

niahotra ihany aho ny hanoroka anao

nanomboka nangovitra ny anaty manontolo

nony akaiky anao

niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo

ny masonao mamiratra no sisa tazako

nanantona ianao, nanoroka ianao

dia tsy tsaroako intsony ny amiko rehetra

toa nanidina aho

nanjavona teo izay nojereko

ny masonao mamiratra no indro tazako

fotoana fohy minitra fohy

fa toa nijanona avokoa ny fianan’ny tontolo

nanaja antsika roa

dia nofiko teo nahoana moa?

raha toa k’isika roa irery no olombelona eto an-tany

nofinofy atoandro

dia tapaka teo ilay fotoana fohy

ny masonao mamiratra no n-banjiniko

nofy hoy anao? nefa hoy aho

kisarisary matotra ato an-tsaiko

tsy afako intsony ireo nofinao

toa sary sy nofy nifoha

nindramina mba hialoha fitiavana mamiratra

nangovitra ianao, nihovitra ianao

fa ngadona efa vitako hira ela ny hovitrovitrao

mitovy ny ahy sy ianao

tsy tapitra hatreo ilay fotoana fohy

fitiavana mandrakizay no niantomboka

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...