lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu zaza maroroka – samoela

Loading...

taratasy fotsy madio toa virijiny
nasiko epistily manambara fa, tiako ianao ry anona iny
fa mamiko sy andrianiko, na zazakely na papozy, na malama toy ny foza, na tia manandrakandran-doza
dia mbola tiako sy iriko ee

f’aza dodona na tery ianao, sao ho very e
fitaka ny hatanorana e, tohizo aloha ilay fahazazana
azafady raha mikafara izaho, fa mbola potika sy tara e
mbola tara anie, aminao zazakely io e

fa na ho tapitra aza ny revy ety ho’aho, ho ringana vokoa ho potika sy lo e!
tsy maninona any an-danitra any indray hotohizantsika ilay revy be tsy nety vitantsika tety
dia hotetezintsika irony habakabaka eny ambony irony, irony rahona irony samborintsika dia hataotsika sesi-kidoro dia eny isika no matoritory ry anona ee

fa zaza maroroka indry, pendimpendina hilalao fitia
voankazo tsy mbola matoy, tsy hanano aho fa aleoko mamoy
ny entanao atao tsara fono, mbola ho ela io vao ho bobongolo
andraso ny taona ho avy, mbola ho leo foana ianao ranabavy
fa zaza maroroka …

aza hatao an’izany kosa rasta kozy e!
io ho’aho tsy azo atao amin-kery na atao amin’ny teritery
zavatra vitan’ny safosafo ve rasta dia manjary vidina lafo
‘lay izy ho’aho tsy mila kôzy bobaka na kafara lava
apitrapitra fotsiny ange ny tava dia efa…
veloma hoe hoy ny nantsoiny
ntsô! hahaha

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...