lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu misy andro – tselatra

Loading...

misy andro maloka mangatsiaka

rakofan-draho-mainty tsy hibaliaka

misy andro manjombona sy mahonena

vao nihiran-tsaina nefa dia nianjera

avia(2) isika anie

hifampitantana hiara-dia re

avia avia isika androany

itady itady ny marina hatrany

misy andro manontany tena

nahoana no hanompo vola sy harena

fa ny omaly ihany no mbola androany

nangoninao tety tsy manaraka anao any

mba avia avia isika andeha

hivavaka hifankatia be

avia avia isika androany

hanarakany tsara sy mamy

ka aza tsindrina ny olona mahantra

fa mba jerijero ny ady tsy ombi tratra

doro atidoha adabohy fa tsy soa

mpiray tanindrazana soavina mialoha

mpiray tanindrazana tiavina tokoa

ka avia avia isika re

fa tsy fiainana ny mafy ady lava ity e

avia avia isika androany

hifanolotra ny m-f- tsy lany

dia aza variana mitsetsitra foana

hitady voninahitra mandavan-taona

ka angoro-karena fa olo-tia-tena

mba zarazarao ny vokam-pirenena

avia avia isika handeha

hiaraka hihira hivavaka be

avia avia isika androany

hiara-dalana ho any lavitra any

misy andro maloka mangatsiaka…

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...