lirikcinta.com
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu mifona mivalo – vhf

Loading...

o ry raolombelona o matoa isika izao mbola velona o

dia tadidio fa misy mpiahy sy misy mpamelona ô

dia ilay tompo andriamanitra

andriamanitra andriananahary

ilay tompon’ny tany tompon’ny lanitra zava-boahary

anazy avokoa anazy izao tontolo izao o

ny zava-boahary rehetra na izaho na ianao

tsisy tompony isika fa natao ho mpihindrana ihany

fa azy ny lanitra azy ny fiainana azy ny tany

ity tany ity tsy iainana mandrakizay e

fa ho fandalovana lalana mankany amin’ny ray

mifona aminao mivalo aminao aho

ry tompo andriamanitra ô

fa ny heloka vita sy ny fahotako tsy ahitako ny lanitra e

fa ny lanitra tokana ihany fonenana mandrakizay e

raha voavela ny heloka dia hitoetra eo anilan’ny ray

miverena modia o ry ondry nania

miverena modia aza varimbariana aza be siasia

ataovy ampy izay ny vita rehetra hatrizay e

andeha re hibebaka aterina hiverina ambalan’ny ray

tsy misy ratsy ny zava-boahary nataon’andriamanitra o

fa tsara daholo ny zava-drehetra amin’ny tany aman-danitra

f’isika olombelona no indraindray toa be siasia

ka mody tsy maheno ka tonga ary koa nania

-dia nandika ny didy ary koa nandika lalàna

fa voarebirebin’ny asa maloto nataon’i satàna

dia nivarina an-kady nandeha tamin’ny lalana tsy izy e

dia niosona loto niosona ota

jereo izato izy e- (2)

ankehitriny miantso anao zao ny tompo ô

manetry tena hanadio aminao izay maloto ô

ka inona ihany ary no mbola hisalasalana e

efa ny tompo mihintsy no miantso haneho fahagagana

lirik lagu lainnya :

YANG LAGI NGE-TRENDS...

Loading...